... arahaba e ... ry hatanorana, arahaba e, ry adalana, arahaba e, ry fahalalana, tsy hay voatanika, sarotra isaina. nigoka, nifoka, ary koa nijangajanga, ny ota rehetra, indro nitranga ...
raluc | 16 Jiona, 2006 08:25
vaovao mampahalahelo sy mahamenatra nitranga ny alatsinainy ny pantekôsta teo, nalefany MBS antsokosoko ny oronan'tsarin'ny laterit productions, "mahaleo" ...
inona moa ny azo lazaina amin'izany ...
betsaka zao ny malagasy mahitan'izany ho "normal" satria efa hiainana isan'adro izao fitrangan'javatra izao any Madagasikara. tsy mahagaga ny olona akory ny mahita ireny film vaovao mbola tsy nivoaka aty aminy sinema aty an dafy nefa efa hita eny amin'ny télé malagasy sy erakin'ny arabe eny aminy "petite vitesse" ao anaty baoritra feno VCD. efa mahazatra izany.
ireny oronan'tsary ireny nefa dia voarindrany ireo orinasa ohatrany OMDA. tsy azo halefa fahatanitany izy reny satria misy tompony ary nandanina vola be.
izao nefa no mitranga, mba talanjona ihany ny tenako nahavoaray mailaka avy aminy laterit productions oe niantso anjareo hono i dadah gaga hoe tsy mba nolazaina akory ny tarika hoa ande aminy MBS ny oronan'tsary. mahamenatra.
aiza ny fahendrena malagasy amin'izany raha hifangalatra fananana tahak'izany foana ... dia tsy hahazo tambiny mihintsy zany ny mpanankanto malagasy (marihina misy malagasy maromaro nandray anjara tamin'io film io, eny na tsy tanisaina aza ny mahaleo). ovina ny nosy malalan'tsaka vao mba ho "respecte-ny" ny vahiny raha dahalo toa isany daholo isika rehatra.
marihina fa efa taminy oktobra farany teo io oronan'tsary io no hita tao aminy emule. gasy avy any canada angamba no nizara azy arak'izay nolazainy marie clemence paes (producteur ny film "mahaleo") tamiko satria nampidrana DVD tany mantsy ry zareo. zany kosa ve ry reto dia mba rariny.
ny tena mahatalanjona dia ny maheno ny valiny napetrak'ny MBS tao aminy forum-ny film, hita fa tena mahamenatra mihintsy ... jereo moa e ...
tiako marihina nefa fa tsy nandray anjara na iraimblanja taminy io film io nefa ny MBS, ny TVM nandray anjara indray no voa penalisé satria mba nahazo "contrat d'exclusivité" toy ny ARTE sy Canal+. Tsy mitombona ilay hoe "ka ny olona no tia hijery anie e" satria aminy oktobra dia hidina any Madagasikara ny mpiasa ao aminy laterit productions handefa ny oronan'tsary aminy alliance française eran'ny nosy. dia tsy ho ela koa dia hande aminy TVM ilay film, ary hivoaka tsy ho ela ny VCD officialy (aminy vidiny "abordable hoany gasy"). ahita daholo zany ny gasy rehatra.
dia ny MBS indray no manapotika ireo "contrat d'exclusivité" rehetra. dia lazainy fa but non lucratif hono (rf) nefa masahy milaza ve izy oe tsy nisy dokam-barotra nande mihitsy tamin'io hariva io?
dinika hafa koa ao aminy forum-ny serasera.org, izay nandraisako anjara namaliako ny post-ny ranamana vancleef fa ohatrany nahakamo ana ny nolazainy ... jereo eto
tokony mba samy mandini-tena isika amin'izao satria efa lazainy ireo vahiny ho dahalo daholo isika ... asa ny mpanankanto, aoka izy ireo mba hivelona amin'izany toy ny rehetra. aoka ny fananany tsy ho atao tsinotsinona.
PS: ity ny sari'ny ilay "communique de presse" nataony laterit productions momba io afera io, azonao alaina eto:
« | Jolay 2022 | » | ||||
---|---|---|---|---|---|---|
Ah | At | Ta | Ar | Ak | Zo | As |
1 | 2 | |||||
3 | 4 | 5 | 6 | 7 | 8 | 9 |
10 | 11 | 12 | 13 | 14 | 15 | 16 |
17 | 18 | 19 | 20 | 21 | 22 | 23 |
24 | 25 | 26 | 27 | 28 | 29 | 30 |
31 |