veloma fahazazana

... arahaba e ... ry hatanorana, arahaba e, ry adalana, arahaba e, ry fahalalana, tsy hay voatanika, sarotra isaina. nigoka, nifoka, ary koa nijangajanga, ny ota rehetra, indro nitranga ...

édito du 23 janvier 2007

raluc | 22 Janoary, 2007 21:27

 

asa raha nisy olona nahatsikaritra izay elaela nahatsy-hita ny tena zay. fa tafaverina soa aman'tsara eto amin'ity blaogy ity ihany ...

... na dia lavitra ary ny dia nandalovana sy ny fiovan'ny fiainana nandritra izay fotoana ela tsy nanoratana tato izay. ny asa aman' draraha ary ny adidy moa no anton'izay.


inona ny vaovao hoy nareo? tsisy moa ny tena filaza arak'ny fiteny mahazatra ny malagasy saingy toa ho lainga ihany izany raha izay no hamaliako azy.

ny vohalohany aloha dia nikopaka elatra ny tena ka nody aty dago taminy 30 aout lasa teo. ka efa tonga soa aman'tsara aminy izao ary efa azo atao hoe milamina arak'izay hilaivana azy ny fiainana.

nihiditra niasa koa ny tena ka efa tsy ao aminy laterit productions intsony izao (iny moa stage ihany) fa efa aty madagasikara. tsy niova anefa ny asa atao fa mbola mpanamboatra trano-kala ihany. eto amparibe no mitoetra ny orinasako.
izany hoe mbola ao anatin'ny sehatrin'ny programmation web ihany.

raha ao amparibe moa ny tena no miasa dia ao antaninarenina no monina, fa toa efa hifindra trano tsy ho ela intsony.

ny vavao aty hoy nareo? ny nahatafilatsaka ny filoha taloha hoan'ny 5 toana manaraka indray zao no tena malaza aty. anisan'ny nifidy mantsy ny tena ( fa mbola tsy nilaza aho hoe andriamatoa ravalomanana no safidiko tao ) ny tena ary voa voalohany taminy fiainako no mba nandray izany andraikitra izany hoan'ny firenenako. izy moa ny lany ary vita soa aman'tsara aminy fomba manetriketrika ny "investiture" taminy zoma farany teo. safidim'bahoaka izany na dia mbola mety ho betsaka ary ny hanohitra izany fahalaniany zany dia toa tsy nanan'danja akory ireo niziriziry aminy heviny.

ny vaovao akoatr'izay angamba dia tsy misy fa izay aloha no azo ambara aminy ity edito iray ity. andeha hiverina hiasa amin'izay ny tena.

ps: hoan'ireo maniry hifandray amiko dia ireto ny fomba samihafa (marihina fa raha messenger dia ny fotoana hiasana ihany no ahitanareo ahy, izany nefa mety ho tody katraminy 12 alina malagasy, rires). mba hialana aminy spam dia tsy natao lien avy hatrany ilay izy ary izay hitanareo hoe [at] dia @ ( arobase ) no dikany ary ny [dot] dia . ( teboka ) no dikany

msn: trambo[at]hotmail[dot]fr
skype: _trambo
mail: jl.ranaivoarivoa[at]neov[dot]net (tsy diso io fa dia tena "voa" tokoa)

ary ireo mail hafa fa mbola mandray taratasy tokoa:
jean-luc.ranaivoarivao[at]laterit-productions[dot]com
jean-luc.ranaivoarivao[at]laposte[dot]net
lou.rana[at]laterit-productions[dot]com
lou.rana[at]laposte[dot]net

 
Accessible and Valid XHTML 1.0 Strict and CSS
Powered by LifeType - Design by BalearWeb