édito ny 03/07/06
raluc | 02 Jolay, 2006 10:19
Mety efa ela ihany nareo no nahita ity blog ity. Mino aho fa nisy ihany ny voasarika tamin'ireo lohahevitra samihafa resahina ato.
ao ny resaka solosaina. hatramin'izao aloha (nanaovan'i lapino remarque mihintsy) dia saika fanaratsiana ny windows foana. o ilay resaka fangalarana kopie-kole am internet explorer sy ny fomba farany tsotra fatao rehafa hapi-plante ny windows. mbola tsy nisy ny resaka madio fa mbola hoavy ihny fa aza mataotra. ny manaraka moa dia ny resadresaka momban'ny Distro linux no ho hitnareo eto.
ao koa ny taindalitra (ny namana hery moa milaza azy hoe tondro-peo, mety daholo). hira anisany tiako daholo no ho hitanareo ao. Ny farany mantsy dia "volana" any rakoto fa ny ankabiazan'ny hoavy eo aloha dia hiran'ny mahaleo na lolo sy ny tariny. Marihina fa tondro-peo efa napetrako ao aminy tonokira.serasera.org ihany no hitanao eto miaraka aminy fanazavana misimisy.
ao ny tafatafa, misy ny tchat (hilaivana kawatry, lol) hahafahanareo miresaka. Tongasoa avokoa izay mpandalo raha sendra mahatratra olona (matetika za no ao fa mety ho tratranao ao koa ireo namako samihafa mpitsidika by blaogy).
ny sokajy ankapobeny moa zany dia ahitana ireo resaka sy vaovao mba tiako ampitaina aminareo. ohatra zao ilay vaovao nampahalahelo momban'ilay film mahaleo iny.
ary ny sokajy "tantara" izay sokajy vaovao ahitanao ny tantaran'ny madagasikara hatramin'ny voalohany, hoan'izay mba liana amin'izany.
Dia miala tsiny raha izao izay vao mba afaka manao ny description kely ny momban'ity blaogy ity.
Hisaorana be dia be izany nareo mpitsidika, aza adino ny mametraka hevitra na dia tsikera aza izany fa mba hifanampiana.
Momban'ilay champagne etsy ambony zany dia eo ampiandrasana ny valin'ny examens za io ka asa raha hamokatra na tsia ... sady ny tena moa monina aty am champagne ardenne ihany. raha tena poince alo dia fety be fa tongava aty Reims e. Adiny 5 sisa dia mipotra am afisy ilay izy (tera-... mihintsy za io amin'izao, lol).