veloma fahazazana

... arahaba e ... ry hatanorana, arahaba e, ry adalana, arahaba e, ry fahalalana, tsy hay voatanika, sarotra isaina. nigoka, nifoka, ary koa nijangajanga, ny ota rehetra, indro nitranga ...

feti-pirenena, ny alatsinainy 26 jiona

raluc | 20 Jiona, 2006 19:51

 
Ry Tanindrazanay malala ô
Ry Madagasikara soa.
Ny fitiavanay anao tsy miala,
Fa ho anao ho anao doria tokoa.
 
Tahionao ry Zanahary
'Ty Nosindrazanay ity
Hiadana sy ho finaritra
He sambatra tokoa izahay.

Ry Tanindrazanay malala ô
Irinay mba hanompoana anao
Ny tena sy fo fanahy anananay
'zay sarobidy sy mendrika tokoa.

Ry Tanindrazanay malala ô
Irinay mba hitahiana anao,
Ka Ilay Nahary izao tontolo izao
No fototra ijoroan'ny satanao.
 

ilay valabalaka avy nanao arendrina, tsipopoka ny alina iny no tsy maintsy mifoa maraina hamonjy ny lycée aminy 7 masil', ny akanjo amin'izany dia tsy maintsy fotsy ambony, mainty ambany ary tsy maintsy misisika tsara raha tsy izany dia mahazo colle.

tonga any aminy lcée dia hita daholo ireo tary sy akama iray kilasy mbola bôngo maso daholo, ny surveillant efa mampifahatra, tonga ny aminy fito dia raikitra ny dia mankany aminy stade Rasolonjatovo, feno mpianatra mihintsy ny làla na aminy izany.

tonga eny an-toerana dia miandry mana-pahefana aminy izay. lasa alo ny samy mande-samy mitady (nenay sakafo maraina, mofo gasy, no tadiavina voalohany), tonga ny 4x4-ny solombavam'bahoaka sy ny fiarany prefet dia raikitra aminizay ny fananganan'tsaina dia ny hira-pirenena (hitanareo etsy ambony ary henonareo koa raha manana plugin wmplayer nareo).

ny vehivavy amin'io manome feo ny ny lehilahy manaraka aminy beso. ndraindray ary ohatrany diso matotra loatra ilay beso ka lasa hafahafa indray le hira.

vo vita ny hira-pirenena dia raikitra indray ny samy mande samy mitady, ny hafanana efa tonga amin'io, ny kabary efa hakarenina (mbola zaza tamin'izany ka dia tsy tena liana taminy izany).

tapitra ny kabary, manomboka amin'izay ny filaharana, milahatra mahitsy tsara ny mpianatra dia mandalo etsy ambany ny tribune. hatao mipoka tsara ny tongotra. tsara loatra ary satria tsy azo hiainana indray ny terrain, miakatra ny vovoka, ny sinusite mamely.

vita izany dia mody amin'izay, mangitakitaka ery ny tenda mahita ny ankizy sasany mitsetsitra "yahourt à boire", ny hafanana mamely be koa.

fahatsiarovana daholo zany sisa, fa raha afaka haverina dia tsy hisalasalako saingy indrisy anefa.

na izany aza, na lavitra be aza ny tena amin'izao dia ity post ity dia atolotro any ireo ankizy mbola mandalo izany rehetra izany, mianatra mitia tanindrazana. izany no tena tsara.

ny ambony mbola tiako lazaina angamba efa voalazan'ny hira-pirenena daholo. ka "raha Alatsinainy 26 jiona androany ka mandalo eto ianao dia mba mijanona kely, esory ny satroka raha misy dia hirao ny hiram-pirenenan'tsika, eny na dia any an-tsaina aza ianao no mihira dia efa zava-dehibe ho antsika-rehetra izany".  


 

 
Accessible and Valid XHTML 1.0 Strict and CSS
Powered by LifeType - Design by BalearWeb