veloma fahazazana

... arahaba e ... ry hatanorana, arahaba e, ry adalana, arahaba e, ry fahalalana, tsy hay voatanika, sarotra isaina. nigoka, nifoka, ary koa nijangajanga, ny ota rehetra, indro nitranga ...

édito du 23 janvier 2007

raluc | 22 Janoary, 2007 21:27

 

asa raha nisy olona nahatsikaritra izay elaela nahatsy-hita ny tena zay. fa tafaverina soa aman'tsara eto amin'ity blaogy ity ihany ...

 (tohiny)

ry tompo

raluc | 07 Jolay, 2006 19:30

ity indray zany ilay hiran'ny mahaleo hoe "ry tompo".
finona no hazo lazaina momban'io hira io? hoe anisany mahaleo tsara indrindra ve? (nena koa alo rehfa mahaleo dia tsara daholo e ... lol) sa anisany hiran'ndry zalahy miantso ny tompo? (misy roa mantsy izy ireo miaraka aminy "andriamanitra avo").
tsy hoe raha jiolahim-boto mpitaingy tambo tsinona dia tsy hanana finoana mihintsy, lol.

 (tohiny)

édito ny 03/07/06

raluc | 02 Jolay, 2006 10:19

 (tohiny)

mahaleo ao olympia

raluc | 28 Jiona, 2006 13:22

ity zany no azo lazaina hoe fampiseohana goavana indrindra mikasika antsika malagasy aminy taona 2007. tonga ao olympia madagasikara, ny tarika efa fanta-daza no hi-representer azy, ny mahaleo.
tsy dia misy inona firy ato fa raha toa ianao ka liana amin'io fampisehoana aminy 2 juin io dia hitanao ato ny liens sy ny resaka kely madinidinika.
asa aloha nareo fa za tena anisan'ny ho avy e ... mpankafy mahaleo ihany ve sady monina aty an-dafy dia tsy ahita izany hetsika ngeza be zany? 

 

 (tohiny)

rakoto - volana

raluc | 27 Jiona, 2006 20:32

gaga ihany  a indray hariva zay raha mba sendra nandalo tao aminy tonokira.serasera.org ka nahatsikaritra hoe mbola tsy nisy olona nametraka hirany rakoto tao. tonga dia napetrako aloha ilay hira hoe "volana" (miaraka aminy tondro-peony) dia nanaraka tao arinako i lemenakely nametraka ilay hoe "indray andro". Mba asaina isika mba andray anjara amin'ireo hira hafa.
ny ao aminy radiovazogasy moa dia efa nalefako any ireto hira ireto:

1. rakoto - valo rarany
2. rakoto - aponga
3. rakoto - ay ke pena
4. rakoto - eo alatrano
5. rakoto - firy ry izareo
6. rakoto - illinois
7. rakoto - indray andro
8. rakoto - mandra pihaona
9. rakoto - misaona ny tany
10. rakoto - o ry zandry kely
11. rakoto - ry vorona

dia nanaraka koa ireto:

12. rakoto - mbola kely
13. rakoto - un ami
14. rakoto - volana_original
15. rakoto - volana_version

fa ilay hoe volana zany no ahitana tondro-peo etsy ambany.
arak'izay nolazain'i lemenakely moa dia nahazo top1 taty an-dafy ilay hirany hoe "indray andro".
amin'izao fotoana izao moa dia tsy dia saika heno firy intsony nefa anisany mpanakanto malagasy tena mahafinaritra sy mahay milalao gitara.
taminy 31 mars teo izy nanao fampisehoana hono saingy lavitra be ihany zay ko.
ilay tranokala ofisialy: rakotozk.freesurf.fr 
ao aminy tononkira: eto 
ary ao aminy radiovazogasy: eto

 (tohiny)
1 2 3  Manaraka»
 
Accessible and Valid XHTML 1.0 Strict and CSS
Powered by LifeType - Design by BalearWeb